« Retour au blog de Darkmoon0000

tononkalo hafa indray

Nirenireny 'ty fanahiko
avezivezin'ny fitia
Nitety toerana, tranga maro,
Manantena 'lay anjara...

Nandroso ny fotoana Ka
hitako ihany 'lay sahaza ahy.
Izy 'lay nofinidiko
tanatin'ny maro nolalovako...

Toa foana teo 'lay fotoana
vao nahatazana azy ity foko.
Toa foana 'lay fiainako
raha tsy izy no eo anilako.

Ka indro aho namboraka fitia,
Manantena fa izy tokoa
no hanova ity fiainako Ka
hanaiky hitoetra eo anilako.

Voalazany fa izaho tokoa
'lay nandrasany hatrizay.
Ka indro voafatotra, voaray
izahay roa...

Nandroso indray ny fotoana,
nitombo hatrany 'lay fitia.
Toa mifankatia tokoa hono,
ny fahitana anay roa...

Toa naheno kiriom-boronkely aho
ka nahiratro ny masoko...
Toa ny tranoko no hitako,
ary tsisy olona teo anilako...

Teo aho vao nahatsapa Fa...
Nofy ihany 'lay niainako
Nofy zary mahamay nefa
mampanantena ihany koa...

Ka indro mirenireny indray ny fanahiko...
avezivezin'ny fitia, mitety toerana, tranga maro,
Manantena 'lay anjara... Manantena 'zay anjarako...

# Posté le vendredi 15 août 2008 16:09

« Article précédent : Tononkalo kely

Article suivant : Me »