« Retour au blog de Darkmoon0000

Tononkalo kely

Ianao lay nandrasako
sy nantenaiko hatrizay,
Ianao 'lay noheveriko
hiaraka amiko ratrizay.

Indrisy anefa fa lasa ianao.
Ka izao aho vao manenina
'reo tsy nety izay nataoko
sy ireo zava-tsy noefaiko.

Maro ireo zava-niainantsika.
Tao ny ratsy, tao ny tsara.
Saingy hoy ianao: "Aoka izay
dieny mbola tsisy 'zay maharatra."

Raha mba fantatrao mantsy
f'irery aho tsy eo ianao...
Raha mba fantatrao mantsy
f'izaho anie mbola babo...

Ka indro aho voatery manadino
'reo lalantsika roa.
Miezaka ny hitady
olon-tiana hafa indray.

Mino aho anefa
fa any misy andro voatondro.
Hamerenana indray
'lay tantarantsika roa...

# Posté le vendredi 15 août 2008 13:26

« Article précédent : Tongasoa/Bienvenue/Welcome/Bienvenidos/Yokoso

Article suivant : tononkalo hafa indray »